SportTatitra

Japon : Medaly volamena, nahazoan’i Hidilyn Diaz 655.000 USD

Hiova tanteraka ny fiainan’i Hidilyn Diaz nibata fonjam-by nandritra ny JO. Nibata ny amboara tao amin’ny lalao fibatana fonjam-by amin’ny sokajy latsaky ny 55kg ity atleta avy any Philippines ity. Efa nahazo ny medaly volafotsy ihany koa ny tenany tamin’ny lalao 2016 tao Rio izay nibatany 127 kg.18 volana ity vehivavy Phillipienne 30 taona ity no nanao fanazaran-tena nanomana ny lalao. Tao Malaisie izy no nanao izany noho ny valan’aretina. « Faly loatra aho » hoy i Emelita Diaz reniny tao amin’ny tany niaviany ao Mindanao.Izy no voalohany indrindra nahazo ny medaly volamena tamin’ny lalao olimpika ho an’i Philippine. Ho fankasitrahana azy dia nanome vola 33 tapitrisa pesos na 655 000 USD (2 500 tapitrisa ariary) ny manam-pahefana sy ny orinasa tsy miankina maromaro ao Philippine. Ankoatra izany dia nahazo trano avy amin’ny talen’ny Megaworld Corporation ihany koa izy ny talata teo izay mitentina 14 tapitrisa pesos (1 000 tapitrisa ariary).

Laisser un commentaire