ActualitésTsidika

Ambohimalaza: Mila fanamboarana ny EPP Ambatomalaza

Anisan’ny sekoly nijoro efa hatramin’ny ela ary tranainy indrindra ao amin’ny kaominina Ambohimalaza, ny EPP Ambatomalaza. Efa tsy araka ny fenitra maha sekoly azy intsony anefa ity trano fianarana ity, amin’izao fotoana izao, ary mila fanamboarana tanteraka, araka ny voalaza.

“Mampalahelo ny hiainan’ireo mpianatra mianatra ao amin’ny sekoly fa tena tsy ampy ny efitra fianarana ary efa tena simba ny rindrin’ny efitrano fianarana. Mila jerena akaiky fa mijaly ireo mpianatara” hoy I Faly, mponina ao Ambohimalaza.

“Sekoly anisan’ny nitaiza sy nahabe ny EPP Ambatomalaza. Efa ela tsy nisy fanaraha-maso raha ny fahitana azy amin’izao fotoana izao. Mila fanarenana tokoa ary tsy tokony hiandry tomponan’andraikitra fa tokony hiarahientana mba ho fitsinjovana ireo zanaka malagasy” hoy ireo maitimolaly avy ao amin’ny sekoly.

Tomponandraikitra amin’ny fanarenana ny sekoly sy ny fanabeazana avokoa ny rehetra. Zava-dehibe ny fiaraha-miasa sy ny fiaraha-mientana amin’ny fanavotana ny fanabeazana tahaka izao, indrindra ho fanatsarana ny lafin’ny fampianarana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire