Antananarivo: Tratra indray ireo mpangalatra finday
14 Martsa, 08h00. Mpanendaka sy mpangalatra finday maromaro no tra-tehaky ny Polisy indray teny Ambodin’Isotry. Efa tafaverina amin’ny tompony ny finday izay nangalariny. Nisy tamin’ireo tratra no mpanangona finday amidy mora. Mitohy ny hetsika ataon’ny Polisim-pirenena amin’ny fiarovana sy fanampiana ny vahoaka.
