Pérou : Olona 15 no maty nandritra ny fihotsahan-tany
Nisehoana fihotsahan-tany nifanesisesy tao Pérou ny alahady sy ny alatsinainy teo. Tao amin’ny faritr’i Arequipa no tena voakasik’izany noho ny oram-be. Ny distrikan’i Nicolas Valcarcel no tena ravan’io tranga io, tranga manodidina ny 310 isa no rava nandritra izany raha ny tatitra.
Raha ny fanambaran’ny manam-pahefana kosa dia olona 15 isa no maty nandritra io loza voajanahary io ary 20 no naratra. Olona roa kosa no mbola tsy hita raha ny fanamafisan’ny « Institut national de défense civile » ao an-toerana. Manoloana ny tranga kosa dia nangataka tamin’ny governemanta foibe ao Lima hampiditra ny firenena ao anaty « état d’urgence » noho ny loza voajanahary ireo manam-pahefana.
