Danemark : Toerana mandry fahalemana indrindra eran-tany i Copenhague
Nahazo isa 82,4/100 amin’ny tànana mandry fahalemana indrindra i Copenhague. Tànana 60 lehibe indrindra eran-tany no nampilaharana tamin’izany ka izy no voasokajy anjakan’ny fandriam-pahalemana sy tsara kalitaom-piainana indrindra. Tsiahivina fa teo amin’ny laharana fahasivy izy tamin’ny taona 2019.
I Toronto kosa no manaraka azy, izay nahazo isa 82,2/100, arahan’i Singapour, Sydney, Tokyo ary Amsterdam. Fepetra 76 no nitsarana ireo tànana ireo, izay nosokajiana dimy, ny fandriam-pahalemana, ny foto-drafitrsa, ny fandriam-pahalemana ara-pahasalamana, amin’ny maha olona ary eo amin’ny tontolo iainana.
