Dépêches

Fanatanjahantena: Handray anjara amin’ny lalaon’ny Afrika amin’ny “tennis de table” I Madagasikara

Dépêche 28 avril, 13h, Hanana solontena amin’ny fiadiana ny ho tompon-dakan’ny Afrika amin’ny “tennis de table” taona 2023 I Madagasikara. Hotanterahina ao Nairobi Kenya izany ny 4 hatramin’ny 6 mai izao. Anisan’ny lalao hiadiana ny toerana hiatrehana ny lalao Olimpika ao Paris amin’ny taona 2024 ity handraisana anjara. Miisa 4 ireo atleta handray anjara hiaro ny voninahitry ny Firenena amin’izany. Ahitana an’i Fabio Rakotoarimanana (Champion d’Afrique de l’Est), Raharimanana Karen (Championne d’Afrique de l’Est), Antoine Razafinarivo (Vice-Champion d’Afrique de l’Est) ary Harena Dimbimiarilanitra (Vice-Championne de Madagascar). Mirary soa ny ekipa hatrany.

Laisser un commentaire