ActualitésTsidika

Toe-karena: Laharam-pahamehana ny famerenana amin’ny Fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalana

Hotolorana teti-bola fanampiny ny Sampan-draharaha mamerina amin’ny Fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalana na ny Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites ARAI. Araka izany dia tena laharam-pahamehana amin’ny fanjakana ny famerenana ireo tokonyb ho fananam-panjakana ireo. Ny tanjona amin’izany moa dia ny ady amin’ny kolikoly manerana ny faritanin’ny Madagasikara.

« Hampiasaina ho an’ny mpiasa izany hoe handoavana ny tambi-karama isan-karazany sy hampiodinana ny sampan-draharaha. Laharam-pahamehana ho an’ny filoham-pirenena ny ady amin’ny kolikoly ka izany indrindra no antony tsy maintsy hanampiana ireto mpiasa ireto hahafahan’izy ireo ihany koa manohitra ny kolikoly raha santria misy izany mandritra ny fanatanterahana ny asany izy ireo », hoy ny avy ao amin’ny ministeran’ny toe-karena sy ny fitantanam-bola.

Ankoatra ny fanampiana ireo mpiasa ia miara-dalana amin’izany ny fampitaovana ao anatin’ny sampan-draharaha ARAI izany hoe misy amphany amin’ny vola dia hisy hampiasana hividianana fiara ho entina manatanteraka ny asa.

« Miady amin’ny kolikoly satria tombontsoa ho an’ny firenena, hiady ho an’ny fananam-panjakana. Dia rehefa amin’ny sehatry ny inona izany dia havela amin’izao ny resaka manodidina ny kolikoly ? Maro ny sehatra maro mpitaraina saingy toa modian-tsy re izany. Aiza anefa no tokony hitaraina raha izany », hoy ireo olona mpanao pasipaoro nianjadian’ny kolikoly.

Marihina moa fa efa maro ireo fananam-panjakana no misy maka an-keriny ka hahafahana mamerina izany amin’ny laoniny no antony hanampiana ireo mpiasa. Laharam-pahamehana araka izany ny ady amin’ny kolikoly ka aiza no tena azo antoka hitarainana raha hiharan’ny tsindry manoloana izany ?

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire