ActualitésTatitra

Pays-Bas : Mitentina 28 miliara euros ny tetibolan’ny firenena hiadiana amin’ny fiovan’ny toetrandro

Nanapa-kevitry ny hanitatra ny tetibola hiadiany amin’ny fiovan’ny toetrandro ny governemanta ao Pays-Bas. Namoaka fepetra ny mpanatanteraka tao an-toerana ny alarobia teo hampihenana ny entona (gaz à effet de serre) ao an-toerana. Isan’izany ny fanetsehana amin’ny fampiasana angovo madio sy fiara elektrika mba hampihenana ny fiparitahan’ny CO2.

Raha tsiahivina dia tanjon’io firenena io ny hampihena ny fiparitahan’io entona manimba ny tontolo iainana io 50% hatramin’ny taona 2030 izao. Mahatratra 28 miliara euros ny tetibola napetraky ny fanjakana hanatratrarana izany tanjona izany. Tsy ihodivirana ny fiovan’ny firenena, ny tontolo ary ny toekarena hoy i Rob Jetten, minisitry ny toetrandro sy ny angovo ao an-toerana nandritra ny fanolorany ireo fepetra tao La Haye. Ny kendren’ny firenena kosa hoy izy dia ny fahatratrarana ny « économie circulaire » tsy misy karbônina amin’ny taona 2050. Mba hahatanteraka izany nefa dia mila hatsahatra ny fampiasana ny « énergie fossile » sy ny fanamparitahana ny « gaz à effet de serre » raha ny fanamafisan’io tompon’andraikitra io.

Laisser un commentaire