ActualitésTatitra

Japon : I Morihei Ueshiba no namorona ny aïkido

Namorona ny haiady « aïkido » i Morihei Ueshiba. Anisany nampihatra ny teknikan’haiady tao Japon fahiny niaraka tamin’i Jigorō Kanō sy Gichin Funakoshi izy mba niarovana izany tsy holefin’ny fandrosoana. Teraka ny 14 desambra 1884 kosa ny tenany ary maty ny 26 aprily 1969.

Taorian’ny nandraisany anjara tamin’ny « militarisation des esprits » tany amin’ny taona 1930 tamin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny « aïkibudo » tany amin’ireo sekoly miaramila sy toerana nisy fahefana dia niova ny fomba fijeriny. Anisany nitarika izany fiovana izany ny faharesen’i Japon tamin’ny taona 1945 ka nahatonga azy niroana tamin’ny « voie de l’harmoni » tamin’ny haiady ary nanosika azy tsy nakatoa ny fifaninana.

Nanaraka ny tenin’ny emperora Hirohito manoloana izany ny tenany izay nilaza nandritra ny lahateniny tamin’ny taona 1945 fa « hanokatra lalana makany amin’ny fandriam-pahalemana ho an’ireo taranaka amam-para ». Ny aïkido kosa no haiady voalohany nahazo alalana tamin’ny manam-pahefanana ao Etats-Unis nokatrohina nanomboka ny taona 1948.

Laisser un commentaire