ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Efa manomboka miasa ny zotra vaovao

Zotra vaovao « H » nampidirina tao amin’ny kaominina entina mampitohy ny kaominina roa, Ankadikely Ilafy sy Ambohimangakely, no efa manomboka hita miasa sy mitatitra olona ao an-toerana amin’izao fotoana izao. Ny famaliana ny hetahetan’ireo mpandeha sy hanamora ny lafin’ny fitaterana no tanjona tamin’ny fampidirana izany zotra H izany.

« Maro dia maro ny lalana alehany, manamaivana ny fahasahiranan’ny mpandeha fiara fitateram-bahoaka tokoa ilay izy. Hirariana moa mba hitohy ny ezaka ary ho tsara ny tolotra omen’ny zotra fa tsy hanao toy ny teo aloha ihany amin’ny tsy fanajana ny zon’ny mpandeha » hoy i Raymond, mponina ao Ambohimangakely.

« Mamporisika indrindra ireo mpitatitra hanao asa tsara ny fampidirana zotra vaovao, indrindra eo amin’ny resaka fifaninana. Efa ela ireo mpandeha no nitaraina ka anisan’ny vahaolana mety indrindra ny fampidirana zotra toa izao » hoy i Arnaud, mpamily fiara fitateram-bahoaka.

Na dia misy aza anefa ny fampidirana zotra vaovao toa izao, mbola misy ireo mpandeha indrindra ireo mankao an-drenivohitra no mitaraina mahakasika ny hafitsoky ny fiara mpitatitra sasany izay tsy manara-dalàna no tsy manaja ny zon’ny mpandeha.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire