ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nisy ny fanolorana solombodiakoho ireo solotenam-panjakana sy ireo miadidy ny kaominina

Noho ny fahatratrarana ny taona 2023, dia nisy ny fanolorana solombodiakoho ireo solotenam-panjakana sy ireo mpitantana, miadidy ny kaominina Ankadikely Ilafy, tamin’ny faran’ny herinandro teo. Tonga nanolotra izany teny amin’ny biraon’ny kaominina moa ireo sefo fokontany manerana ny kaominina sy ireo tompon’andraikitra amin’ny sehatra isan-tsokajiny tao an-toerana.

« Efa fanao isaky ny tonon-taona tahaka izao ny fanomezana solombodiakoho ireo tompon’andraikitra amin’ny fitantanana sy ny fitondrana ny kaominina. tamin’ity taona ity dia nanolotra izany ireo sefo fokontany miisa 18 sy ny lefitra, teo ihany koa ny lehiben’ny distrika sy ny lehiben’ny boriboritany ary ny lehiben’ny brigadin’ny zandarimariam-pirenena » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina.

« Anisan’ny fotoana iray hifampirariana ny soa sy hiresahana ny tanjona ho an’ny fampandrosoana ihany koa ny fotoana tahaka izao. Eo tokoa no fotoana hiaonan’ireo tompon’andraikitra lehibe avy amin’sehatra sy rafitra rehetra izay miasa ho an’ny vahoaka » hoy ireo tompon’andraikitra amin’ny fokontany.

Fotoana iray sady nifampiarahabana nahatratra ny taona ihany koa moa ity fotoana ity, tao amin’ny kaominina ary nanatrika izany ihany koa ireo avy amin’ny kaomisaria avy ao Sabotsy Namehana sy ny lehiben’ny tobim-pahasalamana Ankadikely.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire