ConseilTsidika

AMBOHIBATO, Ambohimanambola

Fizarana faharoa: ANALAMAHAZO (1540-1630)

Analamahazo dia toerana iray eo ambany andrefan’ Ambohibato, ahitana tsangambato roa ka ny voalohany, vato lehibe, dia vaton’ I RALAMBO Mpanjaka izay eo avaratra, ny faharoa kosa, vato kely, dia vaton’ I ANDRIANANDRITANY, Andriana Mpitaritafika, eo atsimo.

Fantaro ary fa, rehefa avy nandresy ny Mpanjaka ANDRIANAFOVARATRA tao Imerinkasinina ANDRIANANDRITANY ka niverina teo Ambohibato, Teo amin’ I RALAMBO ka Teo Analamahazo no nahatazanana an’ Imerinkasinina babo, izay nananganany tsangambato ho mariky ny fandreseny, nahazoany ny tany sy ny fanjakana, nataony nitodika nianavaratra nanondro an’ Imerinkasinina izany vato izany. Rakotr’ ala tanteraka moa ny toerana fahiny. Izay nahatonga azy ho Analamahazo satria Teo nahazoana an’ Imerikasina. Ny vato lehibe izay an’ I RALAMBO dia midika ny fandresena ary ny kely an’ ANDRIAMANANITANY kosa midika fifamatorana.

Nanomboka Teo dia lasa vatomasina izy io, ka teo nanosorana ho Mpanjaka an’ ANDRIANJAKA. Ny fanaovana famorana, ny kabary sy ireo fomba natao teny Ambohibato.

Laisser un commentaire