ActualitésTsidika

Faritra faha-24 : Neken’ny filankevitry ny Minisitra farany teo ny fametrahana izany

Araka ny fanambarana izay nataon’ny Filoham-pirenena tao Maroantsetra mahakasika ny fametrahana ny faritra faha-24 eto Madagasikara izay niandry ny filankevitry ny Minisitra dia nolanian’izy ireo ny fametrahana izany. Homena ny anarana hoe Ambotosoa ity faritra vaovao ity. Any amin’iny tapany avaratry ny faritanin’i Toamasina iny no hametrahana izany faritra vaovao izany.

« Ny distrikan’i Maroantsetra, ahitana kaominina miisa 20, sy ny distrikan’i Mananara Avaratra, misy kaominina 16 no mandrafitra ny faritra Ambatosoa. I Maroantsetra no notendrena ho renivohitr’ity faritra vaovao ity. Ny herinandro ho avy izao dia efa hidina any an-toerana ny Minisitera voakasika amin’izany hametraka ny fanafainganana ny asa », hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana.

« Efa mazava be tsy mila fiandrasana intsony ireny. Izy anie no sefo eo eh! Efa voateniny iny ka tsy manantena ny fiovan’izany intsony isika fa tsy maintsy tanterahiny iny. Kanefa hitombo iray ny faritra dia inona no tombony ho an’ny Madagasikara iray manontolo amin’izany? », hoy ireo mpamakafaka ara-politika.

Mbola mifamahofaho amin’ny Malagasy maro hatrany ihany ny laharam-pahamehana ho an’ireo ao amin’ny Fitondrana. Manahy ny amin’ny fiainany ny Malagasy ka efa samy manao izay hanavotany ny ainy sisa.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire