ActualitésTatitra

Hawaï : Nipoaka indray ny volkano Kilauea

Isan’ireo volkano mifoha matetika indrindra eran’izao tontolo izao ny volkano Kilauea. Ao amin’ny nosy iray ao atsimo atsinanan’ny vondronosin’i Hawaï ao Etats-Unis no misy azy. Mahatratra 1 246,2 metetra kosa ny haavon’ny volkano Kilauea.

Nifoha indray izy ny 7 jona teo ary nisy triatra namoaka ranom-bato, raha ny fanazavan’ny USGS (sampan-draharaha any Etats-Unis misahana ny jeolojia). Efa ny marain’io fipoahana io kosa izy ireo no nahare fambara manodidina ny valan-javaboahary ny volkano raha ny fanamafisan’ny tompon’andraikitra.

Raha ny sary navoakan’ny Hawaiian Volcano Observatory dia somary mitsoranoka ny ranom-bato navoakan’ireo triatra tamin’ny volkano. Midika izany fa mandroso ny fipoahana hoy izy ireo. Nilaza kosa ny USGS fa ny fiakaran’ny enton’ny volkano dia mety hiparitaka amin’ny velaran-tany midadasika.

Laisser un commentaire