Corée du Sud : Tantsambo dimy izay kapiteny koreana tatsimo ny iray no nalain’i Ghana an-keriny
Olona iray avy any Corée du Sud iray no nisy naka an-keriny tao andrefan’i Afrique. Araka ny nambaran’ny Ministry ny raharaham-bahiny, notafihana adiana jiolahin-tsambo nizeriana ilay sambo mpanjono “thon”, Atlantic Princess teo amin’ny 120km atsimo antsinanan’ny tetezana Tema ao Ghana. Olona 5 no nalain’izy ireo an-keriny ka kapiteny korena tatsimo ny iray, sinoa ny telo ary rosianina ny iray, ary nisy mpiasa manodidina ny 30 eo ho eo tao anatin’ity sambo ity izay an’ny orinasa “sino-ghanéenne”. Nametraka vondrona mpikaroka noho izany ny ministra koreana tatsimo. Nanao fanambarana izy fa hanao ny ezaka Séoul mba hanafahana ireo tantsambo nisy naka an-keriny ireo, amin’ny alalan’ny firaharahana amin’i Ghana, Nigeria ary Russie. Ankoatra izay, nanamafy ny governemanta fa nanao asa mafy mba hisorohana ny tranga toy izao. Noho izany, nanolo-kevitra ny ampitsaharana ny fanjonoana amin’ireo fari-dranomasina atahorana amin’ny fakana an-keriny izy ireo ary nametraka fiaraha-miasa iraisam-pirenena indrindra amin’i firenena Golfe de Guinée. Tamin’ny taona lasa, trangana fakana an-keriny tatsambo telo no niseho tamin’ireo olona avy ao Corée du Sud izay samy jiolahin-tsambo ao Nigeria avokoa no tompon’antoka tao Golfe de Guinée, any Ghana.
