Alasora : Fandaharan-dalao mandritra ny faran’ny herinandro
Mitohy hatrany ireo fifaninanana ara-panatanjahan-tena ao amin’ny kaominina Alasora. Miditra amin’ny fifaninanana baolina kitra, « tournoi du maire » ho an’ny taona 2024 indray ny kaominina amin’izao fotoana. Hisy hatrany ny lalao eny amin’ny kianja Ambohidrazaka, mandritra ity faran’ny herinandro ity.
« Ho an’ny andron’ny sabotsy 10 febroary. Lalao baolina kitra lalaovin’olona sivy, ho an’ny latsaky ny 18 taona (U18) no hiseho eny amin’ny kianja filalaovam-baolina Ambohidrazaka. Hanomboka amin’ny 9ora maraina izany, ka hanokafana izany ny matso na défilé an’ireo ekipa » hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.
« Mitohy ny andron’ny alahady ny fifaninanana. Ao amin’ny kianja ihany ; hisy ny lalao hifandonan’ireo ekipa avy amin’ny isam-pokontany. Hanomboka amin’ny 8ora maraina ka hisantatra kianja amin’izany ny fokontany Mahatsinjo sy Mandikanamana » hoy hatrany ny fanazavana.
Anisan’ny mampandroso ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ny fifaninanana tahaka izao. zava-dehibe anefa ny fifanohanana sy fifanontronana amin’ireo mpilalao mandritra izany.
