ActualitésTsidika

Ankadinandriana : Nosokafana ny lalao « Jeu à 11 Coupe Omby »

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 7 martsa lasa teo ny lalao baolina kitra « Jeu à 11 Coupe Omby ». Ny mpilalao avy ao Ankadinandriana sy ny ny Aigle Amboajombe no nanokatra ny lalao.

« Tsy tonga ny Voromatika Amboajombe dia nisolo ny Aigle Amboajombe izany. Sahala kosa ny lalaon’ny roa tonta tamin’ny isa 1 noho 1. Ny lalao taorian’io kosa no nataon’i Andraravola sy Ambohitraina. Nandresy tamin’ny isa 2 noho ny 0 i Andraravola » hoy i Jean Guy isan’ireo olona nametrahana fitokisana hitantana ny tournoi. « Aoka ho lalao ara-piralahiana no ho atao. Hampiray ny mpilalao manerana ny kaominina no tanjona. Tsy misy zanak’i Ikala hafa isika fa iray ihany. Tsy misy resaka politika ny lalao fa ho entina hampiala voly fotsiny ihany » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadinandriana, Malala Nandrandraina. Mahazo sehatra tokoa ny lalao baolina kitra eto Avaradrano. Samy manao hetsika ho entina hampiroboroboana ny tanora ny kaominina eto Avaradrano.   

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire