Ankadikely Ilafy: Raim-pianakaviana iray namoy ny ainy nandritra ny fanafihana cash point
“Cash point” iray no notafin’ny jiolahy nitam-basy ny alahady lasa teo, tao amin’ny fokontany Ankadikely, kaominina Ankadikely Ilafy. Raim-pianakaviana nitaozana ny toerana no voatifitra ary namoy ny ainy taorian’izany. Araka ny voalaza, naratra mafy ihany koa ny vadin’ity farany vokatry ny fanafihana.
“Manaitra ny tomponandraikitra ifotony ny vahoaka mba hijery akaiky ny lafin’ny tsy fahandriam-pahalemana fa mandry tsy lavo loha ny mponina. Hangatahana mba hasiana fisafoana isan-kariva sy isan’alina mba hisorohan’ny fiverimbrenn’ny tranga toa izao” hoy I Noro, mponina ao Ankadikely.
“Efa nandray ny andraikitra tandrify azy ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao. Entanina hatrany ho mailo sy hitandrina ny mponina ary sahia mitoroka haingana eny anivon’ny mpitandro ny filaminana raha mahita tranga mampiahiahy. Entanina indrindra koa isika miandraikitra ireny « Cash Point » ireny mba hikatona amin’ny 05 ora hariva fara fahatarany ho fisorohana ny voina mety hitranga” hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
Anisan’ny zava-dehibe, enti-manohitra ny asa ratsy tahaka izao ny fiaraha-miasa eo amin’ny mponina sy ny mpitandro filaminana, indrindra ny fifanomezan-tanana sy loharanom-baovao mahakasika ny tranga mampiahiahy eny amin’ny fiaraha-monina.
Manitra Ramanantsoa
