ActualitésTatitra

Australie : Vehivavy iray no voalaza fa nanampoizina ny rafozany taloha

Nasain’i Erin Patterson nisakafo tao an-tranony tao Victoria ao Australie ny rafozany taloha Gail sy Don Patterson. Raha ny fanazavana niaraka an’izy ireo ihany koa ny rahavavain’i Gail antsoina hoe Heather sy ny vadiny Ian.

Tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo vahiny ireo dia efa teo am-pisakafoana ny zanak’i Erin Patterson raha mbola nikarakara ny sakafon’ny vahiny ny tenany. Taorian’ny sakafo dia nanomboka mandoa ireo vahiny 4 ka nentina tany amin’ny hopitaly avy hatrany. Antso iray taorian’ny tranga dia namoy ny ainy i Heather sy Gail ary andro iray taorian’izany dia maty ihany koa i Don. I Ian no mbola miandry « greffe de foie ».

Na dia tsy nahitana soritra poizina aza ny fizahana natao amin’izy 4 ireo mpiahiahy fanampoizinana ara-tsakafo tamin’ny alalan’ny holatra misy poizina antsoina hoe « amanite phalloïde » ireo mpitsabo. Nandà ny fiampiangana aza nefa i Erin Patterson ary nilaza fa tiany ireo rafozany taloha ireo.

Laisser un commentaire