IISS: Nandray anjara tamin’ny “Carrefour de la formation, des métiers et de l’emploi 2023”
Nandray anjara tamin’ny « carrefour de la formation, des métiers et de l’emploi 2023 » izay notontosaina teny amin’ny Alliance Française Antananarivo (AFT) ny ivon-toeram-pampianarana IISS, ny faran’ny herinandro teo. Maro ireo mpitsidika no tonga teny an-toerana ary liana tamin’ireo lalam-piofanana sy ny sehatra atolotry ny ivon-toerana.
“Araka ny efa nampahafantarina hatramin’izay dia maro ireo hetsika fampirantiana handraisan’ny ivon-toeram-piofanana IISS amin’ity taona ity ary nisantatra izany ny teto amin’ny AFT Andavamamba. Nandritra izany no nampahafantara ireo lalam-piofanana rehetra misy sy azo atao ato amin’ny ivon-toerana IISS” hoy i Hasina, tomponandraikitra avy ao amin’ny ivon-toerana.
“Anisan’ny mampiavaka ny IISS ireo taranja hiofanana ao aminy, izay mifantoka kokoa amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy sy maharitra ary ny fandraharahana. Ity farany izany mahaliana ahy kokoa no izy afaka ampiharina amin’ny sehatra rehetra ary araka ny voalaza teo dia anisan’ny manome ny tan-tsoroka sy ny teknika mampahomby ny fandraharahana ny ivon-toerana” hoy i Lauren, mpitsidika trano heva.
Mbola maro ireo hetsika izay handraisan’ny IISS anjara. Ny manaraka izao moa dia ao amin’ny Saint Michel Amparibe, ny 22 sy 24 aogositra 2023. Marihina fa ny vola oktobra no hiverina hisokatra ny taom-pianarana vaovao ao amin’ny ivon-toerana hatrany.
Manitra R.
