ActualitésTatitra

Afghanistan : An’arivony ny miaramila nandositra any Tajikistan manoloana ny Taliban

Miaramila an’arivony no nandositra nankany Tajikistan ny alin’ny alahady 4 jolay hatramin’ny alatsinainy 5 jolay tao aorian’ny fifandonana tany avaratra atsinanan’i Afghanistan niaraka tamin’ny Taliban.

Noho ny mety hisian’ny ady indray ny herinandro no tena anton’ity fifindra-monina goavambe nataon’ny miaramila afghans ity. Indrindra moa fa ao avaratr’i Afghanistan izay nigiazan’ny Taliban distrika am-polony tao anatin’ny fotoana fohy. Niteraka ny tahotra hianjeran’ny tafika ao Afghanistan izany.

Ho setrin’izany dia nanetsika ny tafiny i Tadjikistan mba hanamafy ny sisintany. Raha nanapa-kevitra ny hanakatona ny « consulats » any avaratr’i Afghanistan kosa i Russie noho io zava misy ao an-toerana io.

Laisser un commentaire