Torohevitra: Voankazo mampitombo hery fiarovana, azo hikarakarana vatana ny zavoka
Otrikaina maro isan-karazany no hita ao anatin’ny zavoka. Mialohan’ny hidirana ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina no tena tsara hihinanana azy. Efa manomboka hita eny an-tsena eny ity voankazo iray ity amin’izao fotoana izao. Ny tena mampiavaka azy dia izy manan-karena menaka voajanahary izay mitondra hafanana ilain’ny vatana, ary manamora ny fandevonan-kanina izany
Ahitana vitamina C ihany koa ny zavoka. Ity farany izay tena ilain’ny vatana rehefa vanim-potoana ririnina ary ny zavoka dia mampiakatra ny hery fiarovana ao amin’ny vatana, entiny miaro amin’ny sery sy ny gripa. Ankoatra itzay, ny menaka azo avy amin’ny zavoka dia ilay cholesterol tsara, ilay atao hoe « HDL » (High Density Lipid)
Raha eo amin’ny fikojana ny vatana indray, azo ampiasaina hanaovana masque amin’ny tarehy tsara ny zavoka. Ho an’ireo vehivavy tia mikaakara ny tarehy, indrindra ireo manana hoditra maina na makina, ny fanosorana ny zavoka amin’ny tarehy dia manamandina sy manampy ny hodi-tava hamokatra ny « sébum » izay menaka voajanahary manamandina ny tava. Azo ampiarahana amin’ny tantely kely izy amin’izay fotoana izay.
Manitra Ramanantsoa
