Antananarivo: Maloto ary mety tsy ho zakan’ny olona marefo ny rivotra iainana
Dépêche 25 mai, 13h, Ratsy ny kalitaon’ny rivotra hiainana ho an’ny Antananarivo amin’ny ankapobeny amin’izao fotoana izao. Hiteraka tsy fahasalamana ho an’ireo olona marary sy marefo izany. Mihoatra ny fenitra napetyraky ny OMS indray ny tahan’ny “particules fines PM2.5” manarona ny habakabaka. Mandritra ny telo andro nanomboka omaly dia hijanona ho ratsy hatrany izany kalitaon’ny rivotra hiainana izany. Mbola hitoetra ho mora hitahiry ireo singa mandoto ny rivotra ihany koa ny toetr’andro mandritra io telo andro io, indrindra ho an’ireo olona marefo. Araka izany dia mila mitandrina ny tsirairay, mbola azo atao ny mametaka ny aro vava. Hampitombopina ihany koa ny hery fiarovana.
