Orinasa madinika no tena tsy tafavoaka noho ny covid-19
Namporisika ny fampiasana teknolojia vaovao sy fifandraisana vaovao ny aretina mandringana Coronavirus.
Maro ireo orinasa no voatery nampiasa ny fitaovana nomerika mba hitohizan’ny fampandehanan-draharaha teo anivon’ny orinasan’izy ireo nandritran’ny fisian’ny valan’aretina Coronavirus. Tsy afaka nararaotra izany kosa ny teo anivon’ny Orinasa madinika noho ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny vola hoenti-miatrika izany. Voafetra arak’izany ny fahafahan’izy ireo nanatanteraka izany ka niteraka fatiantoka betsaka ary niafara tamin’ny fampiatoana ny ampahany tamin’ireo sampan’asa hafa.
Mampiharihary izany ny valin’ny fanadihadiana farany nataon’ny Ivon-toerana Nasionalin’ny Statistika, niaraha-niasa tamin’ny Banky Iraisam-pirenena fa ny orinasa dia namoy ny ampahany lehibe tamin’ny asany hatramin’ny nanombohan’ny areti-mandringana. Ankoatry ny orinasa bitika, dia namoy ny salan’isan’ny mpiasa maharitra telo ambin’ny folo isanjato teo anelanelan’ny Janoary sy Jona roapolo sy roa arivo ny orinasa, ary efatra isan-jato anampiny teo anelanelan’ny volana Jona sy Oktobra roapolo sy roa arivo, arakin’ny valin’ny fanadihadiana hatrany. "Mbola voafetra ny fampiasana ny vahaolana nomerika, indrindra eo amin’ireo orinasa bitika. Telopolo isan-jato amin’ireo orinasa bitika ihany no nilaza fa nampiasa vahaolana niomerika nandritra ny fanadihadiana ny onja faharoa raha toa ka valo isanjato no nanomboka nampitombo ny fampiasan’izy ireo vahaolana nomerika ho valin’ny areti-mandringana" hoy ny fanehoan-kevitry ny avy ao amin’ny kabinetra mpanao fanadihadiana iray.
Raha ny tati-kevitra naroson’ny talen’ny orinasa tsy miankina iray eto Antananarivo : "Tsy maintsy niditra tamin’ny sehatra nomerika ny orinasa. Ireo orinasa lehibe no tena nahazo tombony tamin’ny fampiasana izy ity noho izy ireo arifomba ara-pitaovana. Ireo orinasa salantsalany ary indrindra ireo orinasa madinika no somary sahirana teo amin’ny fampiharana azy ity satria tao ireo mbola tsy mahafehy ny tontolo nomerika mihitsy ka voatery nampiasa vola hafa tamin’ny fianarana izany, tao kosa ireo tsy tafavoaka mihitsy satria tsy nisy mihitsy ny teti-bola nomanina tamin’izany".
Ny tsapa aloha, betsaka ireo orinasa madinika no bankirompitra nandritra ity aretina ity. Mitombo ihany koa arak’izany ny tahan’ny fahaverezan-kasa. Tsara foana ny fisian’ny fiomanana eo anivon’ny orinasa amin’ny fisian’ny krizy tampoka tahak’izao. Ao anatin’ireo fepetra tokony ho fenoina ao anatin’ny fihodinan’ny orinasa izany ka mila jeren’ny ireo orinasa tsirairay. Ahafahana mampiroborobo ny sehatr’asa eto Madagasikara, mila miditra bebe kokoa amin’ny resaka nomerika isika.
Tsangy Randriamampianina
