Ukraine : Olona roa no namoy ny ainy vokatry ny fitifirana balafomanga nataon’i Russie
Nanao fitifirana indray i Russie, omaly marainan’ny talata 23 Janoary tao Kiev, renivohitr’i Ukraine sy tao amin’ny tanànan’i Kharkiv ary ny faritr’i Dnipropetrovsk, any atsinanan’ny firenena, izay nahafatesana olona roa, araka ny tatitry ny manampahefana any an-toerana. Ankoatra ireo, maro ihany koa ireo olona naratra tao amin’ny tanànan’i Solomianskyi sy Sviatochynskyi, izay nahitana ankizy. Toeram-ponenana maro sy toeram-piasana ihany koa no rava sy potika nandritra izany.
