ActualitésTsidika

 Ankadikely Ilafy: Mbola mitohy ny olan’ny tsy fisian-drano ao Ambohitrarahaba

Efa amam-bolana maro no nisy ny olan’ny rano ao amin’ny faritra sasany ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy. Mitaraina ary manao antso avo amin’ny tomponandraikitra ireo mponina mba hitondra vahaolana maharitra manoloana izany.

« Ho an’ny teto aminay dia efa herinandro izao no tsy nandeha ny rano. Misy ny vahaolana nomen’ny tomponandraikitra saingy vonjy tavanandro amin’ny rano.tovozina amin’ny bonbone ihany. Tsy ampy ary tsy maharitra ho an’ny mponina. Mila.jeren’ny tomponandraikitra fa miankina aman’aina ny zava-misy hiainan’ny mponina » hoy i Holy, renim-pianakaviana.

« Fahoriana no hiainan’ny mponina. Efa ela no tsy nandeha ny rano. Milaza ny avy amin’ny jirama fa olana ara-teknika no antony tsy mampisy ny rano kanefa hatramin’izao dia tsy mbola mivaha izany. Mijaly ny mponina, ireo fitarainana tsy misy mivaly hatramin’izao » hoy i Andy, mponina ao Ambohitrarahaba.

Misy amam-bolana, misy aman-taonany no tsy niverenan’ny rano intsony ao Ambohitrarahaba. Mangataka amin’ny tmponandraikitra mahefa hijery ny zava-misy ary hitobdra vahaolana araka izany ny mponina.

Laisser un commentaire