ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nisy ireo hena nahitana voavary

Nisy ireo hena nahitana voavary tao amin’ny faritra Ambohitrarahaba, kaomonina Ankadikely Ilafy. Efa tao anaty vilany nitanika ireo laoka vao hitan’ireo mpahandro izany, araka ny voalaza.

« Tena mila fitandremana sy fahamailona amin’izao fotona ny fanjifana ny hena eny amin’ireo mpivaro-kena sasany. Tsy fantatra intsony ny kalitaon’ny hena amidy eny an-tsena tahaka izao izay efa teo ampangotrahana ny hena vao hita ny fisian’ilay voavary taminy » hoy ireo niharan’ny tranga.

« Mila hentitra ny fanaraha-maso ataon’ireo tomponanandraikitra. Ary tokony hanaovana fizahana ara-pahasalamana ireo hena amidy eny an-tsena. Mahafaty ny voavary avy amin’ny hena kisoa ka tsy tokony ahazo halalana ny fivarotana izany » hoy i Daniel, mpitsabo biby.

Zava-doza amin’ny fahasalamana ny tranga tahaka izao. Tena ilaina ny fanaovana fitsirihana sy fanaraha-maso ireo entana amidy mba hisorohana ny tahaka izao.

Manitra R.

Laisser un commentaire