Foto-drafitr’asa: Hisy fahatapahana ny lalam-pirenena faha-7 ny herinandro ho avy izao
Dépêche 17 mai, 13h, Mampahafantatra dieny mialoha ny Ministeran’ny asa vaventy fa hisy fahatapahana ny lalam-pirenena fahafito ny talata 23 mey sy alakamisy 25 mey izao. Izany dia hahafahana manamboatra ireo foto-drafitr’asan’ny lalamby amin’iny lalana iny. Noho ny fanamboarana tsy maintsy atao ho fiarovana ny tetezan-damasinina eo amin’ny PK 15+250 ao amin’ny kaominina Bongatsara no anton’izany. Tombanana ho eo anelanelan’ny amin’ny 11 ora alina ka hatramin’ny 01 ora maraina izany. Hisy koa ny fanamboarana hatao eo amin’ny PK 52+900 ao amin’ny kaominina Behenjy ny alakamisy faha 25 may 2023. Marihina fa tsy misy familian-dàlana azo atao mandritra izany. Araka izany dia tokony efa samy miomana amin’ny mety ho fanaelingelenana ny rehetra satria tsy misy ny fivilian-dalana azo atao eny an-toerana.
