ActualitésSocialTsidika

Ambohimanambola: Nampianatra ny mahakasika ny fandriampahalemana ny CP zandarimaria

Mitohy ny fanentanana ny mponina ny resaka fampiharana ny tanamaron’ny fandriam-pahalemana ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Ny faran’ny herinandro teo, nitondra fampianarana tao amin’ny fokontany Ambohitsimeloka, Antanetibe, Ambohimarina, Ambohitra ary Ambohimahatsinjo ny CP avy ao amin’ny poste avancé an’ny zandarimaria ao Ambohimanambola.

“Vory maro be ny vahoaka satria hihaino ny fampianaran’i CP vaovao mahakasika ny fandriampahalemana. Liana tokoa ny ankamaroan’izy ireo ary tena resy lahatra fa ilaina ny andrimasompokonolona” hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

“Ambohimanambola tanàna milamina no tanjona. Faly ihany koa ny avy amin’ny zandarimaria satria vonona hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana ny vahoaka. Ao anatin’izany ihany koa, hitohy hatrany ny fitetezam-paritra izay ataon’ny CP eny ifotony, samy hahazo izany avokoa ny isam-pokontany” hoy hatrany ny fanazavana.

Nahitana fiovana ny resaka fandriam-pahalemana tao amin’ny kaominina Ambohimanambola, raha oharina amin’ny teo aloha, taorian’ny nisian’ny hetsika tanamaron’ny fandriam-pahalemana sy ny fisafoana ataon’ny zandary isam-pokontany. Tsara tohizana hatrany anefa izany, ary hamafisina hatrany izany ho antoky ny fandriampahalemana.

Manitra R.

Laisser un commentaire