Conseil

Sakafo : Maro ireo karazan-tsakafo avy amin’ny biby afaka manampy hiadiana amin’ny aretina

Tsy ny zava-maniry ihany no manampy betsaka amin’ny fitsaboana. Eo ihany koa ireo sakafo azo avy amin’ny biby fiompy.

Voalohany indrindra ny tantely izay mitondra herim-batana amin’ny ankapobeny. Miaro amin’ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà, ny homamiadana ary indrindra ny Alzheimer ny tantely. Ampiasaina ihany koa amin’ny fistaboana kohaka izy. Manampy amin’ny fery may sy amin’ny tsy fahitan-tory.

Eo ihany koa ny yaourt izay vokatra azo avy amin’ny ronono. Tena mampitombo ny hery fiarovana izy noho ny fisian’ny bakteria sy ny ronono ao aminy.

Ny trondro ihany kao dia tena manampy betsaka eo amin’ny fahasalamana. Ny menaka azo avy aminy dia manana hery manala fanaintainana sy mampihena ny karazana tavy ratsy ao anatin’ny lalan-drà toy ny « triglycérides ».

Ny atikenan-janak’omby dia sady be vitamina B12 no be vy. Afaka manampy amin’ny tsy fahampian-drà ihany koa izy.

Ny sakafo tokoa dia tena manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fahasalamana. Tsara fantatra hatrany ny singa entin’ny sakafo tsirairay. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire