Allemagne : Tsy nisy ny mpitsidika naratra nandritra ny fahamaizan’ny Europa-Park
Olona 450 isa no namono ny afo tao amin’ny Europa-Park ny alatsinainy teo. Raha ny fanazavana dia naharitra 18 ora ny faharetan’ny famonoana ny afo. Mpitsidika manodidina ny 25 000 isa kosa no voatery nalàna tao an-toerana. Tsy nisy ny ainy nahafoy ary tsy nisy naratra ireo mpitsidika ireo raha mpamono afo roa kosa no naratra saingy tsy misy ahatahorana ny ainy.
Raha ny tatitra dia manodidina ny 4 ora sy 40 minitra no niseho ny loza ary niainga tao amin’ny « local technique » ny Europa-Park izany. Mbola tsy fantatra mazava kosa nefa ny nitarika izany ary efa manao ny fanadihadiana ny manam-pahefana ao an-toerana. Nilaza kosa ny polisy tao Offenburg fa na efa voafehy aza ny afo dia mbola nijanona tao an-toerana ireo mpamono afo nanara-maso ny zava-nisy.
