Etats-Unis : Tovolahy iray namono ny reniny rehefa nandidy azy hampirina ny efitranony izy
Renim-pianakaviana iray no nandidy ny zanany lahy 17 taona hampirina ny tranony tao Floride. Tezitra mafy io tovolahy antsoina hoe Tobias Jacob Brewer io manoloana ny baiko nataon-dreniny azy ka nanomboka novelesiny tamin’ny lapoaly ary notsatohany antsy im-betsaka io reniny io. Taorian’izany dia niantso ny namany i Tobias mba hitondra basy hanaperana ny ain’ny reniny.
Naratra mafy ny renin’io tovolahy ary nitsitra teo amin’ny tany feno rà no nahitan’ny manam-pahefana azy. Rehefa tonga tany amin’ny hopitaly izy dia nilaza tamin’ireo manam-pahefana fa ny zananyno namono azy. I Tobias Jacob Brewer moa dia nitsoaka niaraka ny fiaran’ny reniny ary naka vola tao amin’ny pokeran’ity farany.
Narahan’ny manam-pahefana nefa io tovolahy io ary rehefa nifanenjika nandritra ny fotoana naharitra izy ireo dia tratra io Tobias ary eny amin’ny fonja ho an’ny zaza tsy ampy taona no misy azy amin’izao fotoana.
