ActualitésTsidika

Ambohimalaza : Mbola maro ireo fokontany anaty haizina

Mbola maro ireo fokontany miaina ao anaty haizina ao amin’ny  kaominina Ambohimalaza, amin’izao fotoana izao. Manao antso avo amin’ireo tomponandraikitra ireo mponina manoloana izany, ary mangataka ny hametrahana jiro mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro, tahaka ireo eny amin’ny faritra hafa.

“Manaitra ny tomponandraikitra mba hametraka jiro ho antoky ny fandriam-pahalemana ety amin’ny faritra misy anay. Nisy ny fametrahana jiro mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro teny amin’ny fokontany sasany, mazava izy ireo ka tokony ho jerena ihany koa izahay satria tena mbola ao anaty haizina” hoy i Fano, mponina ao Ambohimalaza.

“Ny jiro no antoky ny fandriam-pahalemana. Rehefa misy ihany koa ny hazavana dia milamina ny tanàna. Mampalahelo anefa fa mbola faritra maro no miaina anaty haizina ety an-toerana. Ny fandriam-pahalemana anefa manahirana ka izany no tokony hanaovan’ny tomponandraikitra ezaka mba hampitovy ny fokontany tsirairay” hoy i Tsilavina, mpivarotra.

Mbola maro ireo faritra miaina anaty haizina ao amin’ny kaominina Ambohimalaza, anisan’izany ny fokontany Fiadanana, Anjozorokely, Ambohidraikitra, Antanatsara sy ny maro hafa ihany koa.

Manitra R.

Laisser un commentaire