Fitaterana an-drenivohitra : sahirana ny mponin’Antananarivo
Zary lasa fiainan’ny mponina eto an-drenivohitra ny fitohanan’ny fiara sy ny fisisihana fiara fitateram-bahoaka. Raha ny teny Anosy, toerana nolalovanay ny talata maraina tokony ho tamin’ny 08 ora maraina teo dia tsikaritra fa ady sisika vao mahazo taxi-be ary misy mihitsy ny mahazo ratra mandritra izany. Ireo efa ao anaty fiara fitateram-bahoaka kosa dia mahalany ora maro mihitsy ao anaty fitohanana.
Raha tsiahivina dia efa vita ny alatsinainy teo ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny governemanta malagasy sy ny ministeran’ny raharaham-bahiny frantsay ny amin’ny hametrahana ny fitaterana vaovao ho an’ny vahoaka eto Antananarivo. Efa nisy ihany koa talohan’izay ny fanovana ny fizotry ny lalana sasany eto Antananarivo toy ny eo antanimena iny ohatra mba hampienana ny fitohanana.
Miezaka ny mametraka polisy matihanina amin’ny fifamoivoizana eny amin’ireo toerana be fitohanana ihany ny eo amin’ny kaominina antananarivo mba hamahana izany olana izany. « Tena tsy misy mitsinjo intsony izahay zokiolona rehefa handray taxibe » hoy i Henriette, zokiolona nanontanianay teo amin’ny fiantsonan’ny taxibe teo anosy-radio. « Misafidy ianao na ho tara na ho noana rehefa maraina fa tena be loatra ny fitohanan’ny fiara » hoy i Fetra, mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo.
Ny hamaron’ny fiara ampidirina eto Antananarivo sy ny fahaterena ary faharatsian’ny lalana no tena antony mahatonga ny fitohanana, ka ny fanaraha-maso tsy tapaka ny kalitaon’ny lalana, ny fandrafetana paikady vaovao sy mahomby ho an’ny fifamivoizana ary ny famerana ny fiara miditra eto an-drenivohitra no vahaolana ho an’ny fitaterana eto an-drenivohitra.
Aurélien Tsitarihina
