Nahazo toerana fanazarana mitifitra ny polisim-pirenena
Ny sabotsy lasa teo no natolotra ny polisy ny toerana fanazarana mitifitra na ny « stand de tir » izay eny amin’ny lapan’i Mahazoarivo mba hananan’ny ao amin’ny mpitandro ny filaminana traikefa sy fahaizana hiaro ny firenana manoloana ny zava-misy ankehitriny.Niroso tamin’ny fanavaozana ny toerana ny praiminisitra satria mila hatsaraina ny traikefa hananan’ny mpitandro ny filaminana amin’ny resaka fitifirana ka nampanarahana ny fenitra ity « Stand de tir » vaovao ity. Ity ivontoerana ity koa no antsoina hoe EP1 na « Escadron porté numero un de la Gendarmerie Nationale Malagasy » izay eo ambanin,’ny fitantan’ny zandarimariam-pirenena ary anisan’ny andraikiny ny fiarovana ny praiminisitra sy ny fianakaviany. »Atolotra izao fotodrafitrasa izao ho an’ny foloalindahy sy ny polisim-pirenena. Zava-dehibe ny fampianarana sy fizarana mitifitra. Maro ireo naira-nisalahy tamin’ny hevitra hanatsarana tao antin’ny fanatanterahana ny fanamboarana ka isaorana » hoy ny praiminisitra Ntsay Christian izay nandray an-tanana sy nitarika ny lanonana. Nanamafy ko aizy fa samy nitondra ny anjara birikiny ny rehetra fa tsy ny tenany samirery. Nanatrika ity lanonana ity koa ny minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ary mananamboninahitra sy sivily maromaro.Efa ezaka lehibe eo amin’ny fitondrana ny fanavaozana ity « stand de tir » ity saingy tsy dia mbola zava-dehibe loatra manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Ny tena tokony imasoan’ny polisim-pirenena dia ny fampanjakana ny filaminana eto aminny tany sy ny fanjakana.
Anja Raharimalala
