ActualitésTsidika

12 Aogositra : Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora

Mikarakara hetsika ny Ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena ho entina hankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny tanora « Journée Internationale de la Jeunesse » (JIJ) ny 12 Aogositra 2021. Ho tanterahina ao amin’ny Institut National de la Jeunesse ao Carion izany hetsika izany. « Tanora mahay mandrindra ny ara-tsakafo, miantoka ny fahasalaman’ny mponina sy ny firenena » no lohahevitra ho raisina mandritra ny fankalazana amin’ity taona 2021 ity.Raha ny fanazavan’ny mpandrindra ny hetsika dia toy izao ny fandaharam-potoana amin’izany : Hisy ny diaben’ny tanora (carnaval), hisy ny famelabelaran-kevitra ahitana lohahevitra telo mikasika ny rafitra ara-tsakafo hampivoarana ny tanora eo amin’ny fahasalaman’ny mahaolona sy ny tontolo iainana, ny fanoloran-tenan’ny adolantsento sy ny tanora ary ny fihinanana sakafo-ara-pahasalamana : antoky ny taranaka salama.Hananteraka hetsika ara-kolontsaina ihany koa ireo tanora mandray anjara ao anatin’izany hetsika izany. Ity hetsika ity dia tohanan’ny fikambanana sy vondrona maro samihafa toy ny Unicef, Pnud, Psi Madagascar, ny Fao, sy ireo maro hafa. Marihin’ny avy eo amin’ny ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahan-tena fa hanamarika izany fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora izany ihany koa ireo faritra 22 manerana an’i Madagasikara. Entanina hatrany ireo tanora rehetra handray anjara mavitrika amin’izao hetsika izao, ho fampivoarana sy fampivelarana azy ireo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire