Makasa/Bika : Karazana dihy Sakalava maneho ny tsinjakin’ny mpiantafika
Dihy sakalava maneho ny tsinjakin’ny mpiantafika ny Makasa na ny Bika. Manao fehiloha mena toy ny olona hiady ny mpandihy azy. Mitana lefona izy ireo ary miravaka korintsana manome feo ny tanany sy ny tongony.
Ny korintsana kosa dia satrana maina norariana ka nasiana voamintilany ao anatiny. Io no antsoina hoe makasa ka nanome ny anaran’ny dihy Makasa.
Ny vehivavy dia manao lambaoany ary asiana tenty masonjoany na tany malandy na tany ravo ny tarehiny. Ny fihetsika mitsatotsatoka toy ny hiady, arahina totodia mampaneno ny korintsana mifatotra eny amin’ny tongony.
Hazolahy sy makasa no zavamaneno ampiasaina.
