Pasipaoro: Lasa miisa 200 ihany no vitan’ny milina isan’andro
Vao niverina nisokatra ny sampan-draharaha mpanao ny Pasipaoro izay nikatona nandritra ny iray volana sy tapany teo dia efa maro ireo olona tonga nilahatra hanamboatra Pasipaoro. Miisa 200 ihany anefa ny Pasipaoro vitan’ny milina isan’andro izay maharitra 72 ora ny fikarakarana izany izay mitentina 190 000ariary.
“Raha tomombana tsara ny antontan-taratasy dia 72ora dia tokony vita hatramin’ny fanontana ny pasipaoro. Ho an’ireo izay maika araka izany di any filaharana maraina ihany no vahaolana satria 200 isan’n&adro ihany no afaka havoakan’ny milina fanontana ny pasipaoro. Misy kosa ny fanaovana pasipaoro ho an’ny hamehana, ho an’ireo marary na mpiasam-panjakana mamita iraka izay tsy maintsy mitondra « ordre de mission », hoy ny minisitry ny filaminam-bahoaka, CGP Randrianarison Fanomezantsoa.
Marihina fa vao iray andro nisokafan’ny fanaovana pasipaoro dia efa olona telo sahady no voasambotra izay milaza eny amin’ny tambazotran-tserasera fa mahavita pasipaoro. Nanazava ny lalana tokony haleha araka izany ny avy ao amin’ny sampan-draharaha hialana amin’ny mpisoloky.
“Mitentina 190 000ar ihany ny vola aloha eny anivon’ny tahirim-bolam-panjakana irery ihany ho an’ny fikarakarana pasipaoro. Hialao ny kolikoly satria sady mambotry anao no mambotry firenena. Tsy misy olona tokony afaka haka vola ankoatra izany aminao. Misy ny sampandraharaha rezionaly mandray ny antontan-taratasy ho an’ireo olona any amin’ny faritra, ka eto amin’ny foibe Antananarivo ihany no mamita ny fanontana ny pasipaoro”, hoy ny tompon’andraikitra.
Maro ireo olona mimenomenona amin’ny fikarakarana mahakasika ny pasipaoro ka mitaraina amin’ny seho eny amin’ity sampana ity. Mila arahi-maso izany ary tokony hofonganana satria foiben’ny kolikoly matetika ny fikarakara ny antontan-taratasy amin’ny fivoahana any ivelan’ny Madagasikara na tsy ao amin’ny sampan-draharahan’ny pasipaoro irery ihany aza.
Miora Raharisolo
