ActualitésTsidika

Fifamoivoizana : Mitaraina amin’ny   fitohanana lava reny  ny olona

Nihamafy tato ho ato fitohanana eto an-drenivohitra. Efa manerana ny renivohitra izany arakin’ny hita. Misy ny toerana izay tsy dia ahitana fitohanana lava be loatra.  Etsy andaniny anefa misy ny lalàna izay tena maharitra dia maharitra tokoa rehefa mitohana. Anisan’izany ny « axe-RN7 », manomboka eo ankadimbahoaka ka hatrany Andoharanofotsy. Lalana izay tokony vita 35 minitra lasa alaina ao anatiny 2 ora. Betsaka ny fatiantoka anatin’izay adiny roa izay ho an’ny tsirairay, tsy afa bela amin’izany ny mpamily taxibe. « Tena simba ny asa, tena lasa mitohana be ny lalàna. Lany ny fotoana tokony hitadiavana vola.  Ny maraina dia tena maharitra tokoa ny fitohanana. Tara ny mpandeha, zara fa mihetsika ny fiara. » hoy i Patrick, mpamily taxibe.

Betsaka ny fatiantoka azo noho ny fitohanana lava reny ity. Tsy ny mpamily ihany anefa fa tsy afa-miala amin’io tranga io koa ny mpandeha.  Betsaka ny olona no tara mamonjy ny ora fiasany.  Misy fiantraikany aminin’ny asa anaty orinasa  ny fahatarana. « Tara ny asa any am-piasana rehefa mitohana be ny fiara. Taraiky ny fikarakarana sakafo satria lany ety an-dalana daholo ny fotoana. Misy ny mpanjifa tonga aloha anefa mbola tsy vonona ny sakafo. Lasa mandeha daholo arak’izany ny olona fa tsy mahavita miandry ela intsony. », hoy  i Koloina, mpivarotra hani-masaka. 

Maro  ny sehatra  voakasika raha ny lafiny fifamoivoizana no resahana. Tokony tsy atao ambanin-javatra araka izany fanomezana vahaolana ny olana mba hisian’ny firindranan’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra. Manana andraikitra avokoa ny tsirairay indrindra fa ny mpamily hamaha ny olàna miaraka amin’ny ambaratonga tomponandraikitra.

Erwan RAN

Laisser un commentaire