Ankadikely Ilafy: Nirotsaka nanala ny fako teny Ambohitrarahaba ny kaominina
Taorian’ireo fitarainana sy fiandrasana ny fandraisana fepetra avy amin’ireo tomponandraikitry ny kaominina ao Ankadikely Ilafy, dia nirotsaka an-tsehatra nanala ireo fako mivangongo tao an-toerana ny avy ao amin’ny kaominina ny faran’ny herinandro teo. Fiara lehibe (camion) roa no niezaka nanala ireo fako tao an-toerana, raha tsy mbola afaka nampiasaina amin’izany ireo fiarabean’ny kaominina, araka ny voalaza.
« Andraikitritry ny kaominina tokoa ny manala ireo fako isam-pokotany ka miezaka hatrany ny kaominina mitady vahaolana entina hanalana izany. Etsy andanin’izany anefa dia manentana ny tsirairay mba samy hanaja ny fahadiovana ary handray andraikitra mba hampirindra ny tanàna » hoy ireo avy amin’ny kaominina
« Tsy tokony hiandry ny mponina himenomenomena hatrany ny tomponandraikitra vao mirotsaka mitondra vahaolana. Ny fandrindrana ny fako dia olana nipetraka teto foana hatramin’ny ela ka mila mametraka vahaolana maharitra izy ireo » hoy i Toky, mponina ao Ambohitrarahaba.
Ilaina araka izany ny fametrahana maharitra mba tsy hampiverina ny olan’ny fandrindrana ny fako ao amin’ity fokontany iray ity. Ao anatin’izany ohatra ny fametrahana fandaharam-potoana ny ora fanariana fako sy ny fakan’ny tomponandraikitra izany, eo ihany koa ny fampitomboana ny isan’ny daba-pako ao an-toerana.
Manitra R.
