Fly over Anosizato : Nankatoavin’ny filan-kevitry ny minisitra ny fanamboarana azy
Dépêche 17 novembre, 14h, Araka ny vinan’ny Filoham-pirenena dia hisy ny fanamboarana ny fly over eny Anosizato hialana amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana betsaka loatra amin’iny faritra iny. Tombontsoan’ny be sy ny maro izy io ka hisy noho izany ny famindrana ireo mponina izay voakasiky ny tetik’asa, ary hisy ihany koa ny fandrodanana trano. Hapetraka vokatry izany ny vamiera mpandray ireo olona voakasik’izany ka hanaovana ny tombantomban’ny onitra tokony ho raisiny raha toa ka voamarina fa ara-dalàna ny taratasy momba ny fananany sy ny fangatahany hanorina teo amin’ilay toerana. Tombontsoan’ny rehetra ary tena ilaina fa tokony hatao mifanaraka amin’ny foto-drafitr’asa haorina ihany koa ny fari-piainan’ny tsirairay.
