Maurice : Hisokatra ny tapany faharoan’ny taona 2023 izao ny New Cancer Hospital
Mivonona handray ny marariny voalohany ny New Cancer Hospital any amin’ny tapany faharoan’ny taona 2023 any hoy ny minisitry ny fahasalaman’i Maurice, Kailesh Jagutpal nandritra ny fanokafana ny « mid-term coordination meeting » tao Bagatelle. Raha tsiahivina dia hopitaly nataoka hiadiana amin’ny homamiadana io hopitaly io izay hita ao Solferino.
Nanamafy ny minisitra fa mitentina 800 tapitrisa Rs ny fitaovana hapetraka ao amin’io hopitaly io ary mbola hiampy miandalana izany. Ho avo lenta avokoa ny fitaovana hoy izy ary hametrahana PET Scan avy amin’ny IAEA (International Atomic Energy Agency) izany.
