ActualitésTsidika

RSE : Ny tokony ho politika mahakasika ny angovo sy ny fitaterana

Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona rehetra ny angovo sy ny fitaterana. Eo amin’ny fiainana dia tsy maintsy mampiasa fitaovam-pitaterana ny olona, mampiasa ny hazavana, misakafo izay mampiasa angovo, sy ny maro hafa izay samy hampiasana ny angovo sy ny fitaterana avokoa. Miteraka fanimbana ny tontolo iainana anefa ny fampiasana ireny raha tsy hiteny hafa-tsy ny fanamboarana arina fotsiny izay hanimbana ny tontolo iainana ary mety hiantraika amin’ny fahasalamana ihany koa. Anisan’ny mampiasa ireny ihany koa anefa ny orinasa ary miantraika betsaka amin’ny tontolo iainana sy ny fahasalamana izany izay tokony hitadiavan’izy ireny vahaolana.

« Ireo orinasa rehetra misehatra amin’ny fampiasana angovo be loatra dia tokony hitady hevitra izy hialana amin’izany. Anisan’ny mandray andraikitra hiaro ny tontolo iainana ny fampiasana ireo angovo azo havaozina toy ny herin’ny masoandro, ny rivotra ary ihany koa ny rano », hoy ny tompon’andraikitry ny RSE ao amin’ny Orinasa iray.

« Azo atao amin’izao ny mandany andro mitady hevitra hampiasana ny angovo azo havaozina. Azo atao ihany koa ny mizara ny fahaizana sy ny fahalalana rehefa mahita izany ny orinasa iray. Fandraisana anjara amin’ny fanatanterahana ny RSE ihany koa izany », hoy ny mpandraharaha misehatra amin’ny fanamboarana trano iray.

Mbola hiakatra hatrany ny filàn’ny olona mahakasika ny angovo ary tsy hitsahatra hitombo izany. Ny orinasa lehibe anefa tokony ho fitaratra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ka tokony tsy hanao ambanin-javatra ny fikarohana vahaolana mba hampienana ny fampiasana ireny angovo manimba tontolo iainana ireny.

Miora Raharisolo  

Laisser un commentaire