Antananarivo-Renivohitra : Rotsak’orana, miteraka tondra-drano ho an’ny tanàna
Betsaka ny ny faritra eto an-drenivohitra no dibo-drano rehefa latsaka ny orana. Toa lasa hoe tsy ety an-tanàn-dehibe intsony ny eto an-toerana amin’ny vanim-potoana fahavaratra toy izao. Maro ny olona izay manana trano miorina eny amin’ny faritra iva no mitaraina rehefa vanim-potoana toy izao. Tsy afaka miala amin’izany ny eny Besarety, Isotry,Mahamasina, hita ihany koa izany fiakaran’ny rano izany eny Tsimbazaza. Nampitaraina ny olona eny Behoririka koa ny fiakaran’ny rano maimbo eo an-toerana. « Tena tokony ny jeren’ny tompondraikitra akaiky izao zava-mitranga izao fa tena mijaly ny vahoaka. Dibo-drano avokoa izay lalàna aleha. Ny tena olàna dia miakatra ireo rano maloto ka hiteraka aretina ho an’ny olona indray izao fiakaran’ny rano izao. », hoy Prisca, mponina ao Mahamasina.
Olàna tokony jeren’ny tomponandraikitra akaiky izao zavatra miseho izao. Lasa mandoto ny tanàna indray ny fiakaran’ny rano. Miparitaka etsy sy eroa ny fako. « Tena lasa olàna be ho anay mpivarotra ilay rano miakatra. Hoentin’ny rano daholo ny fako izay efa miangona eny rehetra eny. Tokony mba maka fepetra amin’ny fanamboarana lakan-drano be dia be eto an-drenivohitra ny eo anivon’ny kaominina. Misy ny tatatra sasany efa tsentsina mihitsy ka tsy mivoaka any amin’ny toerana tokony hisy azy mihitsy ny rano. », hoy Dina, mpivarotra hani-masaka.
Maro ny antony mahatongaa anio fiakaran’ny rano io raha ny eto an-drenivohitra. Voalohany amin’izany ny tsy fahampiana’ny lakan-drano mitarika ny rano mankany amin’ny toerana tokony hisy izany. Eo ihany koa ny fahabetsahan’ny fako, izay lasa manentsina ny tatatra, hany ka mivoaka ety amin’ny arabe ny rano. Raha dinihana tsara anefa dia anisan’ny tompondraikitra avokoa ny olona rehetra. Ny fanariana fako etsy sy eroa dia miteraka fivangongonany, hany ka rehefa tongan ny vanim-potoana fahavaratra toy izao dia lasa miparitaka indray ny fako. Na dia eo izany dia tokony hisy hatrany ny fitadiavana vahaolàna haingana avy amin’ny kaominina tsirairay.
Erwan RAN
