Angleterre : Manana ny Premier League koa ny vehivavy
Ny fiadiana tompondakan’ny baolina kitra vehivavy ao Angleterre no antsoina hoe « FA Women’s Super League ». Fifaninanana matihaninana ho an’ny mpilalao baolina kitra vehivavy izy io izay hivondronan’ireo klioba anglisy sangany.
Mitovy tantana amin’ny « Premier League » ny « FA Women’s Super League ». Afaka mandray anjara amin’ny « Coupe d’Angleterre » sy ny « Coupe de la ligue » ny mpandray anjara amin’izany ary mahazo tapakila fandraisana anjara amin’ny Community Shield ny mpandresin’ireo fifaninana ireo. Afaka mandray anjara amin’ny « Ligue des champions féminine » an’ny UEFA ihany koa ireto farany.
Nanomboka tamin’ny taona 1991 no nisy ny « FA Women’s Super League ». Ny Chelsea no tompondakan’ny fifaninana raha ny Arsenal kosa no nahazo fandresena betsaka indrindra tamin’izany. Efa nanomboka ny 9 septambra teo kosa ny andiany manaraka amin’io fifaninana io ary tsy hifarana izany raha tsy ny 28 mey 2023 izao.
