Dépêche du 15h00 07 Août- Lalaon’ny Frankofonia: efa tafaverina ny ampahany amin’ireo mpandray anjara Malagasy
Tontosa soa aman-tsara ny Lalaon’ny Frankofonia tany Kinshasha RD Congo izay nandraisan’ireo atleta sy mpanao zava-kanto Malagasy anjara. Ankehitriny dia efa tafaverina eto an-tanindrazana ny ampahany voalohany amin’izy ireo. Raha ny vokatra dia azo ambara fa nitondra avo ny voninahim-pirenena ireto ekipa Malagasy ireto.
