Afaka misitraka vaksiny SINOPHARM ny rehetra manomboka izao
04 Novambra, 08h30. Manomboka ny alakamisy 04 novambra 2021 dia afaka misitraka ny fanaovam-baksiny SINOPHARM eny amin’ny Vaccinodrome CHUJRA sy CHUJRB ireo olona 18 taona hatramin’ny 60 taona. Hanomboka ny zoma 05 novambra 2021 kosa ny eny anivon’ireo CSB II ao amin’ny distrika valo anatin’ny Faritra Analamanga.
