Dépêches

Ady tany niafara hatramin’ny famonoan’olona

04 Novambra, 08h45. Raikitra ny savorovoro tany Ambatondrazaka ny 3 novambra lasa teo mikasika ny ady tany na dia efa nivoaka aza ny valin’ny fitsarana dia tao ireo tsy nanaiky iznay. Namoaka basim-borona ilay tompon’ny tany ary nitifitra ny ankilany izay voalaza ho mibodo ny tany ka olona iray no voa ka nitsirara tamin’ny tany. Tezitra ny tetsy an-kilany ka nitambaran’izy ireo ilay nitifitra ka tsy tana ny ainy. Ilay voatifitra kosa naratra mafy ka noentina namonjy hopitaly ao Ambatondrazaka.Iray hafa naman’izy ireo mbola manaraka fitsaboana ao an-tranony ao Miaramanjaka.

Laisser un commentaire