ActualitésTsidika

Fitiavan-tanindrazana : Mahery fo sy tia tanindrazana ny Tafika Malagasy

Maro ny fihetsika hanehoana ny fitiavan-tanindrazana. Isany amin’izany ny fanatevenan-daharana ny Tafika Malagasy.

Maro no mihevitra fa asa tsy mihaja loatra ny fanaovana miaramila. Betsaka ireo tanora tsy liana amin’izany intsony fa variana amin’ny hairaha. « Maro ny asa ahazahoam-bola be nefa tsy mila hery sy sandry intsony amin’izao. Ny fahaiza-mikaroka sy ny fahaiza-manao dia efa ampy hivelomana » hoy i Sedra, mpitantana tamba-tserasera iray. « Famonoan-tena an-kolaka ny fanaovana miaramila. Basy no namana ary izay mahay milomano ihany no maty an-drano hoy ny fitenenana. Mahita ilay miaramila maty an’ady ireny aho dia kivy » hoy i Aina, tanora vao afaka Bacc teo.

« Raha tsy misy ny miaramila dia iza no hiaro ny vahoaka ? Tia tanindrazana ny miaramila. Ary raha maty amperin’asa dia maty ho an’ny tanindrazana ihany. Mahery fo ary tena ilaina eto amintsika ny miaramila » hoy i Jules, miaramila efa nisotro ronono. Tena ilaina tokoa ny tafika amin’ny fampandriana ny fahalemana. Vitsy ny mazoto hanao izany. Raha jerena fotsiny aza ny tahan’ny tanora mazoto mitsara miaramila dia vitsy. Noho ilay karatra maitso ilaina rehefa manao taratasy no tena hanaovana azy.

Tsy ampy an’isa ny tafika eto amintsika, ary izay no tena mampirongatra ny asan-dahalo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire