Israël : « Flurona », aretina roa mifangaro
Aretina hita tao Israël ny « flurona ». Fifangaroan’ny gripa sy ny coronavirus izy, izay nakàna ny anarana « flurona », gripa midika hoe « flu » amin’ny teny anglisy miampy « coron ».Tsy « variant » vaovao ny « flurona » hoy ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana ao an-toerana. Vehivavy bevoka iray tsy vita vaksiny narary tao amin’ny hopitaly Beilinson tao Petah Tikva no nahitana io aretina roa nifangaro io. Tsy naneho soritr’aretina mahery nefa izy na dia samy mamely ny taovam-pisefoana aza ireo aretina mahazo azy ireo hoy i Arnon Vizhnitser, talen’ny departemantan’ny « gynécologie » ao amin’ny hopitalin’i Petah Tikva.Mbola ny tenany kosa no tranga nahitana io fifangaron’aretina io hatramin’ny taona 2020.
